Famintinana
p. 229-230
Texte intégral
Fandrombaka mankany amin’ny Makamba Fijery amin’ny fomba samihafa ny fanjonoana nentim-paharazana eto Madagasikara
1Zava-dehibe eo amin’ny pôlitika sy toe-karen’i Madagasikara ankehitriny ny jono makamba ataon’ireo mpanjono madinika no sady sehatra manan-danja ho an’ny fikarohana mikasika ny siansan’ny fiarahamonina. Na ny toetoetra sy fombafomba maha izy azy manokana na ireo fifandraisana samihafa misy aminy sy ny endri-panjonoana makamba hafa atao (ohatra an-tsambo) dia samy manazava ny mahatonga ity sehatra ity ho mahaliana. Mahasarika ny mpikaroka handinika azy koa ny fiavahan’ny fomba ifamatoran’ity fihariana ity amin’ny rafi-pamokarana sy fiaraha-monin’ny morontsiraka.
2Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpikaroka avy amin’ny sehatra samihafa sy vazan-tany maro ity boky ity : ao ny mpahay fihariana sy toe-karena, ao ny mpandinika momba ny fiainan’ny olombelona, ny mpahay fiaraha-monina sns... Ary izy ireto dia nahitana Kanadianina, Frantsay sy Malagasy.
3Manadihady ny jono nentim-paharazana sy ny fivoarany ity boky ity ka mijery ny lafiny samihafa sy ny ambaratonga isan-karazany mifamatotra aminy eo amin’ny sehatry ny toe-karena, ny fiaraha-monina, ny politika, ny tontolo iainana, ny finoana sns... Ireo rehetra ireo mantsy no mifa-meno sy mifampidipiditra ka ahazoana manazava ny fiaimpiainan’ilay sehatry ny jono nentim-paharazana sy ny fiovana mihatra aminy amin’izao fotoanan’ny tekinika sy fanalalahana izao.
4Avohitry ny fikarohana vita ato fa diso ny fijery milaza hoe mihamaty ny jono nentim-paharazana ka ho levona ao anatin’ireo endri-panjonoana ara-toetrandro mampiasa fitaovana vaventy.
5Ny tantara niainan’ity sehatra ity tao anatin’ny 30 taona farany mantsy dia maneho mazava fa tontolo tsy mitsaha-mivoatra ny azy ka tsy ahina tsy haharaka izay fivoarana takina aminy mba hahazoany mivelona amin’ny ho avy.
6Ohatra amin’ireny ny fivoaran’ny rafitra mitantana azy (fitomboan’ny fikambanam-panjonoana), ny fiovana eo amin’ny fiaraha-monin’ny olona voakasika aminy (faneken’ny fahefana nentim-paharazana hampivoatra ny endri-pifehezany ilay sehatra) ; ny fivoarana eo amin’ny fiharian-karena toa ny fisokafana amin’ny lalam-barotra vaovao eto an-toerana sy maneran-tany ; ary ao ny famolahana haitao vaovao araka izay hita amin’ny fisakana trondro ohatra.
7Misongadina avy amin’ny fandinihana natao tato koa fa tsy ny toe-java-tra anatiny na ny toe-tany sy toetr’andro na ny antony tekinika ihany no mampivoatra sy mampivelatra ity seha-panjonoana nentim-paharazana ity. Fa misy fiantraikany aminy sady itondrany akony lehibe koa ireo fiovana sy fanavaozana ara-piaraha-monina sy ara-pihariana atao ao amin’ny faritra amorontsiraka isandrahan’ilay jono makamba nentim-paharazana.
8Tahaka ireo sehatrasa hafa imatimatesana ankehitriny (ohatra ny fitrandrahana safira sy vato sarobidy), ity fitrandrahana makamba ataon’ny mpanjono madinika ity dia manetsika koa ny tontolo man-odidina azy ka miteraka fifindra-monina, fitaran’ny fifanakalozana ara-barotra na zava-dehibe hafa mpitranga amin’izao fotoana. Ary izay indrindra koa no mahatonga azy horaisina ho ohatra hodinihina sy haseho eto. Dia manan-kery hakana lesona faobe koa araka izay ny tsoa-kevitra aroso ato.
Le texte seul est utilisable sous licence Licence OpenEdition Books. Les autres éléments (illustrations, fichiers annexes importés) sont « Tous droits réservés », sauf mention contraire.
Brasília, ville fermée, environnement ouvert
Marcia Regina De Andrade Mathieu, Ignez Costa Barbosa Ferreira et Dominique Couret (dir.)
2006
Environnement et sociétés rurales en mutation
Approches alternatives
Michel Picouet, Mongi Sghaier, Didier Genin et al. (dir.)
2004
La spatialisation de la biodiversité
Pour la gestion durable des territoires
Jean-Louis Guillaumet, Anne-Élisabeth Laques, Philippe Léna et al. (dir.)
2009
La Sierra Madre occidentale
Un château d’eau menacé
Luc Descroix, Juan Estrada, José Luis Gonzalez Barrios et al. (dir.)
2005
Terres d’altitude, terres de risque
La lutte contre l’érosion dans les Andes équatoriennes
Georges De Noni, Marc Viennot, Jean Asseline et al.
2001
La ruée vers l’or rose
Regards croisés sur la pêche crevettière traditionnelle à Madagascar
Sophie Goedefroit, Christian Chaboud et Yvan Breton (dir.)
2002
Effervescence patrimoniale au Sud
Entre nature et société
Dominique Juhé-Beaulaton, Marie-Christine Cormier-Salem, Pascale de Robert et al. (dir.)
2013
Du bon usage des ressources renouvelables
Yves Gillon, Christian Chaboud, Jean Boutrais et al. (dir.)
2000